Ikaretsakka

Fampidirana

ikaretsaka | 24 Oktobra, 2007 15:15

HO an'ilay namako izay, 

Eny, Katôlika aho, "Katolika Romanina" raha izay no tiatianao kokoa. Mino aho fa Ratsambatan'i Kristy ny Fiangonana, Mino aho fa ny Papa no solontenan'i Kristy sy  Apostoly (vicaire toy ny nataon'i Md Piera)  eto an tany , mankalaza an'Andriamanitra aho any ampiangonana amin'ny alalan'ny fomba atao hoe Lamesa masina, manaja an'i Masina Maria Virijiny tsy azon-keloka  Mandrakizay aho, ary manambara ny fahotako sy mikonfesy amin'ny Pretra.

Izaho dia anisan'ireo mino ihany koa fa ny Fiangonana Katolika no hany fiangonana  marina naorin'i Kristy 

Haiko... Raha ohatra hoe Kristianina amin'ny fiangonana hafa ianao (indrindra raha prôpestà) dia haiko ny mety hoeritreretinao: 
"Eee voa mafy aho. Mampalahelo fa tsy nohazavain'ny fianarana  Soratra Masina aho, tsy mahafantatra izany "fahalalahana" iainan'ny  kristianina hafa, raha mba nianatra Soratra masina sy nianatra baiboly izao aho dia tena tsy hisaina ohatran'izany mihitsy, fa mety ho lasa protestà ohatranay".

Inoako fa mety ho izany tokoa ny ao an-tsainao, raha mijery ahy ianao krtistianina finoana ka tsy miraika amin'izany fiteniko izany, dia hafa indray iny. Ie, Henonao ny hoe "misy zavatra hafahafa"   mitranga ao amin'ny katolika, ary ekeko koa fa betsaka ny tantara henonao momban'ny Fiangonana katolika, hoe "authoritative" e sns... sy izay mety ho fieritreretanao any! Mino aho fa namaky ireo tantara sy filaza ireo ianao, ary raha tsy taitra amin'ny zavatra lazaiko ianao dia dia ataoko hoe mba momba ahy ihany.

Alohan'ny hitsaratsaranao ahy be fahatany anefa,  dia mba misy zavatra momban 'ny  tantaram-piainako mba tiako  holazaiko aminao. Zavatra inoako fa mety hahagaga anao, mety hanindrona anao, fa milaza aminao aho ny mba hamakianao ny zavatra hambarako, fa nihatra tamiko ilay izy ary tena marina, ka mba tiako lazaina amin

Fitarihana ve (Divine Providence)?

ikaretsaka | 23 Oktobra, 2007 15:51

Asa na fitarian'ny Fanahy masina na kisendrasendra, fa aleoko atao fotsiny hoe "divine providence"

Nisy fotoana nahatonga ahy ho  "mpianatra" baiboly. Ny marimarina kokoa aza dia nisy fotoana aho nino fa  ny Baiboly "ihany" no tokony arahina sy "lalanan'ny finoana kristianina".  Asa anefa, mety ho  vokatr'io "Divine providence" io no nahatonga ahy hoe   vao mainka aho nianatra baiboly, sy  nanao azy  "lalanan'ny fiainako",
dia teo koa no nahatsapako fa misy zavatra banga  sy tsy ampy eo amin'ny tontolom-pinoako! ary tsapaka fa ilaina fenoina raha te ahita fiadanana ny fanahiko. Teo amin'io fahatsapana io "foana sy tsy ampy io" no nahatonga ahy nanao "comparative religion", nijereko ireo finoana "kristianina rehetra". Dia asa koa fa "Divine Providence" ihany no nahitako sy nanapahako   fa ny finoana katolika no finoana  hahafeno io banga sy tsy ampy io, sy hanome ahy io fiadanam-panahy izay notadiaviko fatratra io

"tsssssleeee, inona koa izany?,  Imagination an la izany, Zany ve de mba possible"....  mety ho iznay indray no horesahinao sy mety ho fihevitrao eto.
Dia teneniko indray ianao hoe tsy maninona fa andao hotohizana ihany, sao mety hiova io opinion anao io! asa? na mety ho hafa ny hijerenao azy rehefa avy eo. Marina fa mety tsy hiray ary mety tsy hanaiky ny fanazavako ianao. fa mino aho fa ho hitanao, fa zavatra tsy imagination-ko  irery izany
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb