Fampidirana
ikaretsaka | 24 Oktobra, 2007 15:15
HO an'ilay namako izay,Â
Eny, Katôlika aho, "Katolika Romanina" raha izay no tiatianao kokoa. Mino aho fa Ratsambatan'i Kristy ny Fiangonana, Mino aho fa ny Papa no solontenan'i Kristy sy Apostoly (vicaire toy ny nataon'i Md Piera) eto an tany , mankalaza an'Andriamanitra aho any ampiangonana amin'ny alalan'ny fomba atao hoe Lamesa masina, manaja an'i Masina Maria Virijiny tsy azon-keloka Mandrakizay aho, ary manambara ny fahotako sy mikonfesy amin'ny Pretra.
Izaho dia anisan'ireo mino ihany koa fa ny Fiangonana Katolika no hany fiangonana marina naorin'i Kristy
Haiko... Raha ohatra hoe Kristianina amin'ny fiangonana hafa ianao (indrindra raha prôpestà) dia haiko ny mety hoeritreretinao:Â
"Eee voa mafy aho. Mampalahelo fa tsy nohazavain'ny fianarana Soratra Masina aho, tsy mahafantatra izany "fahalalahana" iainan'ny  kristianina hafa, raha mba nianatra Soratra masina sy nianatra baiboly izao aho dia tena tsy hisaina ohatran'izany mihitsy, fa mety ho lasa protestà ohatranay".
Inoako fa mety ho izany tokoa ny ao an-tsainao, raha mijery ahy ianao krtistianina finoana ka tsy miraika amin'izany fiteniko izany, dia hafa indray iny. Ie, Henonao ny hoe "misy zavatra hafahafa" Â mitranga ao amin'ny katolika, ary ekeko koa fa betsaka ny tantara henonao momban'ny Fiangonana katolika, hoe "authoritative" e sns... sy izay mety ho fieritreretanao any! Mino aho fa namaky ireo tantara sy filaza ireo ianao, ary raha tsy taitra amin'ny zavatra lazaiko ianao dia dia ataoko hoe mba momba ahy ihany.
Alohan'ny hitsaratsaranao ahy be fahatany anefa, dia mba misy zavatra momban 'ny tantaram-piainako mba tiako holazaiko aminao. Zavatra inoako fa mety hahagaga anao, mety hanindrona anao, fa milaza aminao aho ny mba hamakianao ny zavatra hambarako, fa nihatra tamiko ilay izy ary tena marina, ka mba tiako lazaina amin