Ikaretsakka

Mitoriteny?

ikaretsaka | 02 Martsa, 2007 18:00

...raha izaho no asainao mitoriteny dia tsyhoe andriamanitra mpanasazy na hoe mibebaha no voiziko voalohany fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny mahaolombelona antsika : zany hoe ny fanovany ny fiainantsika hisy zavatra positive eo anivontsika, ny fampaherezana antsika amin'ny fiainan-tsarotra, ny fahatsapana fa tiany isaka na manana kilema aza saingy afaka mila tanteraka izany kilema izany raha manana ny Fanahin'Andriamanitra ianao ka mandray azy ao am-po. Dia izy olonamandray an'Andriamanitra no mahalala ny otany rehefa avy eo dia miezaka mibebaka fa tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....


Ka rehefa maheno ny positive outcomes ny fandraisana an'Andriamanitra izy dia manontany izy hoe ahoana ny fomba hamojeko sy handraisako an'Andriamanitra satria toa mahalina sy tsara izy izany dia eo amin'izay ianao manome ny hoe:
-Tiavo amin'ny fonao iray manontolo Andriamanitra
-Atokano aminy ny fanahinao sy ny vatanao ary ny asa ataonao; ampiseho amin'ny alalan'ny fitondran-tena sy asasoa ary fihetsiak mendrika ny zavatra ataonao rehetra.
- Tsinjovy ny namanao zany hoe ny hafa ary toroy ny lalana mahitsy izy sns
-Miala amin'ny ota mety manasaraka antsika amin'ilay Ray.

Efa any amin'ny farany ilay olona vao mety hanontany hoe inona avy kay izany ny ota mety ananako tokony hanaovako tena mba hampadio ahy dia eo ianao mi-list ny zavatra mety tazanao mila fiovanana any aminy. Dia aleo izy handin-tena fa tsy hoe io fahotany io no asesinao voalohany aminy fa amiko tsy truthful ny zavatra tenenina amin'izany fa ampitahorona ny olona hanantona an'Andriamaniatra ka hoe AFOBE ny hiafaranao sns mampitahotra ao anaty baiboly ao.

Bref, tsy mandiso ny fombanao aho fa samy manana ny fomba hampitainy ny tenin'Andriamanitra isika fa ny hany tsy mampitovy angamba dia ny anao ao anaty baiboly daholo ny Ref, fa ny ahy tsy dia mila baiboly loatra matetika fa ny fiainana andavanandro no entiko manomboka azy izay vao mirona mankany amin'ny baiboly na boky masina hafa arakarak'izay ahitako ny fahamarinana miteny amiko eo sy mifanaraka amin'ny hevitra eo.

Ny zavadehibe dia tokony hijery izy fa tsy vitan'ny vatana ny fiainana fa misy ny Fanahy ary io Fanahy io no mahaolombelona anao sy hitovizanao amin'Andrimanitra izy nanamboatra anao.

Raha manontany izy hoe aiza no tokony hivavaka dia hiteny aho hoe aiza ny tianao fa ny zavadehibe dia mifandray amin'ilay ao anatinao ianao ary tokony hita taratra ety ivelany izany hatsarana ao anatinao izany. Ka n'aiza n'aiza efa fantatrao ny hafatra fa Fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa sns tsy voatanisako eto intsony. Tsara anefa ny mandray matetika sy maheno matetika izany teny mahasoa izany.

Io ny finoako ary io no ho voiziko hatramin'ny farany.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb