Jereo ange
ikaretsaka | 02 Martsa, 2007 18:01
Raha ny tena izy dia avy ao anatinao ao sy avy any aminao ihany anie ny negative feelings nao rehetra, fa tsy tena avy any @ realite
Noho izany aza miezaka akory hanova ny zavamisy. Adalana be izany! Ajanony ny
fihezahana hanova olon-kafa. Manjary lany fotsiny amin'ny fanovana ny zavamisy ety
ivelany fotsiny ny fotoanatsika sy ny herimpontsika, sy amin'ny fihezahana "mba" hanova ny vadintsika, ny lehibentsika, ny namantsika sy ny
fahavalontsika ary ny hafa rehetra. Tsy voatery hanova n'inona n'inona anefa isika.
Ny kilema (negative feelings) dia ny ao anatintsika ao ihany . Tsy misy n'iza n'iza eto ambonin'ny tany afaka
hanala izany afa tsy ny tena ihany. Tsy misy akory aza izany fotoana izany, na izany antony izany ,
. Tsy nisy niteny anao izany. Ny mifanohitra amin'io no nolazain'izay mba nanambara izany raha nisy . Izay
no antony mahatonga anao mbola ao anaty fisavoritahana izao.
Izay no mahatonga azy sy ianao mbola tsy nifoha . Tsy mbola nisy niteny anao an'izany.
Saingy mazava ho azy miandalana aminao eo ihany izany.