ikaretsaka | 02 Martsa, 2007 18:11
Ny tanjon'ny fiainantsika dia ny Hiaina mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra.
Andriamanitra... izay nanome antsika ny fiainana
Ny famaliana fitiavana n no mamela ny fiainan'Andriamanitra hikoriana sy hiboiboika tsisy fetra ao anatintsika
Ny zavatra rehetra eto amin'ity tany ity dia fanomezan'Andriamanitra daholo
izay natolotra ho antsika mba hahalalantsika Azy misimisy kokoa sy moramora kokoa
ary koa mba hahafahantsika mamerina ilay Fitiavany misimisy kokoa ary moramora kokoa koa
Vokatr'izany dia tokony ho tia sy hanaja ary hampiasa ireo fanomezan'Andriamanitra ireo isika mba hampivelatra antsika ho olombelona "hitia",
Raha ireo fanomezana ireo anefa no lasa ataontsika ho fototry ny fiainantsika dia lasa mametraka lavitra an'andriamanitra sy manala ny fandrosoantsika mankany amin'ilay tanjona isika
Noho izany ary, amin'ny fiainana andavanandro dia tokony hataontsika mavesa-danja eo anatrehan'ireo fanomezana noharin'Andriamanitra ireo hoe manana safidy isika fa tsy terena
Tsy tokony hametraka be loatra ny fanirintsika fahasalamana ambonin'ny aretina
na harem-be eo ambon'ny fahantrana
na ny fahombiazana eo ambonin'ny tsy hafombiazana
na ny faniriana ho ela velona isika nohon'ny fahatsapantsika fa izany rehetra izany dia afaka antsoina aby, mba ho valin'ny fiainantsika amin'andriamanitra
Ny tokony ho ataontsika izany dia ny hoe
"Ny zavatra tokony iriako sy safidiako dia izay mitondra ahy Handetika ny fitiavan'andriamanitra ao anatiko"
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |