Ikaretsakka

Ny fijeriko azy

ikaretsaka | 06 Septambra, 2007 16:46

Ny mahatonga ny olona ho malahelo sy sahirana, dia matetika izy ireny no tsy tonga saina!
Amiko ireny ohatran'ny manofy mitsangana izany mandeha eo @ lalan'ny fiainana, tsy hitany ny zava-misy marina @ maha zava misy marina azy, fa amina alalana  zavatra natakona azy, ohatran'ny voaly(na ataoko hoe illusions) no ahitany azy.

tsy inona izany fa ny Tahotra sy io voaly nolazaiko teo ambony io

Voafehifehy izy ireny
Tsy mba manana fahafahana izy ireny, fa voafatotra amina zavatra,  izay atahorany fatratra sao tsy ho azony,  na efa azony fa hatahorany sao very indray,   sy amin'olona atahorany satria mety tsy mahafaly ilay olona na zavatra ny ataony.

Tsy miaina @ zava misy, na mamehy tena tsy hiaina @ zava misy koa izy ireny,.
Ny fifandraisany na  @ tenany, na amin'ny manodidina azy dia voasarona no nodisoin'io fiheverana (ataoko hoe voaly na illusions io) izay vokatry ny zavatra nafahana azy sy nandemena azy.

Ny tena important, dia ny fialana amin'izany, ny fahafantarana an'izay zavatra manakana izay, ary ny fahafantarana sy ny fahatsiarovan-tena fa mety misy izay. ka hahafahana miala aminy, hahafahana miaina @ tena hatsaran'ny fiainana 
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb