Mompera o?
ikaretsaka | 06 Septambra, 2007 17:11
Sombiny t@ resadresakay sy i Lazadaddy(forum serasera)
Lazadaddy: fa maninona moa ianao no mila "mompera?"
izaho: diniho ity " Raha tianao hafana ny Rano, dia mila vilany ianao, manelanelana ilay Rano sy ny afo"!
Ny fijeriko azy
ikaretsaka | 06 Septambra, 2007 16:46
Ny mahatonga ny olona ho malahelo sy sahirana, dia matetika izy ireny no tsy tonga saina!
Amiko ireny ohatran'ny manofy mitsangana izany mandeha eo @ lalan'ny fiainana, tsy hitany ny zava-misy marina @ maha zava misy marina azy, fa amina alalana zavatra natakona azy, ohatran'ny voaly(na ataoko hoe illusions) no ahitany azy.
tsy inona izany fa ny Tahotra sy io voaly nolazaiko teo ambony io
Voafehifehy izy ireny
Tsy mba manana fahafahana izy ireny, fa voafatotra amina zavatra,  izay atahorany fatratra sao tsy ho azony, na efa azony fa hatahorany sao very indray,  sy amin'olona atahorany satria mety tsy mahafaly ilay olona na zavatra ny ataony.
Tsy miaina @ zava misy, na mamehy tena tsy hiaina @ zava misy koa izy ireny,.
Ny fifandraisany na @ tenany, na amin'ny manodidina azy dia voasarona no nodisoin'io fiheverana (ataoko hoe voaly na illusions io) izay vokatry ny zavatra nafahana azy sy nandemena azy.
Ny tena important, dia ny fialana amin'izany, ny fahafantarana an'izay zavatra manakana izay, ary ny fahafantarana sy ny fahatsiarovan-tena fa mety misy izay. ka hahafahana miala aminy, hahafahana miaina @ tena hatsaran'ny fiainanaÂ
Mamono fotoana
ikaretsaka | 06 Septambra, 2007 16:28
Mamono(mandany fotoana)
Ahoana tokoa moa no handaniako ny fotoana? hmmm andraso hoe isaiko:
Amin'ny fitaintainana momban'ireo zavatra marobe izay tsy hananako control ve? Ohatra hoe ny anio, ny ho avy
Amin'ny fitazonako ny Ambom-poko, ny hatezarako, ny lolom-poko, mihoatra noho ireo zavatra nandratra ahy ve? na ny tena real na ny ni imagine-ko?
Amin'ny fialana pas ny Andavanandroko ve? na ..izay antsoiko fahatany hoe andavanandroko?
Amin'ny maha concerner ahy amin'ny hoe inona no zavatra misy hazahoako zavatra ho ahy, nohon'ny hoe inona no ato amiko, sy ezaka hataoko, mba hazahoako io zava misy io?
Amin'ny mahatonga ahy tsy handinika sy hankafy ny zava misy amin'ny maha zava misy azy , nohon'ny fanaovako hoe tokony ho izao, mety ho izao, afaka lasa ho izao?
ireo no fandaniako ny fotoanako.
Ilay jesoa anefa tsy namono fotoana, fa Aina no natolony ho an'ny fotoana
Ny azy